Exodus 35:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay rehetra nanatitra volafotsy sy varahina ho anjara fanomezana dia nitondra izany ho an’NY TOMPO; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ny fanompoana dia nitondra izany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay rehetra nanokana fanatitra volafotsy na varahina dia samy nitondra ny azy ho an’i Iaveh. Izay rehetra nanan-kazo akasià hanaovana ny zavatra rehetra momba ny fanompoam-pivavahana dia nanolotra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo nanavaka volafotsy na halimo ho an’ny TOMPO koa dia samy nitondra ny azy; izay nanana hazo mimôzà azo ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny asa dia nitondra ny azy.
Malagasy Bible 1865
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.