Exodus 35:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
malagasy
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.