Exodus 35:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay nampirisihin’ny fony dia hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’NY TOMPO hotanterahin’i Mosesy; ireny Zanak’Israely rehetra ireny dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO.
malagasy