Exodus 35:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahaizana mampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomen’ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an’i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahaizana mampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana.
malagasy
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.