Exodus 35:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manokàna zavatra hatolotra ho an’i Iaveh amin’ny fanananareo. Na iza na iza mazoto fo dia hitondra zavatra haterina amin’i Iaveh, dia volamena, volafotsy, varahina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Angony ny fanomezana avy aminareo ho an’ny TOMPO; izay rehetra manome an-tsitrapo no aoka hitondra fanomezana isan-karazany ho an’ny TOMPO: dia volamena, volafotsy, halimo,
Malagasy Bible 1865
Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Makà anjara fanomezana ho an’NY TOMPO avy amin’izay anananareo: Izay rehetra entanin’ny fony dia aoka hitondra anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, dia volamena, volafotsy, varahina,
malagasy
Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,