Exodus 36:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hiasa i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra, izay nomen’NY TOMPO talenta sy fahiratan-tsaina hahaizany manao ny asa rehetra ho amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO.
malagasy