Exodus 36:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo amin’ny sisin’ny iray efa voavitrana koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiana tadivavarana jaky volomparasy ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany, dia natao toy izany koa ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana faharoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nopetahany kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany tamin’ny vitrana voalohany, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba voalohany tamin’ny vitrana faharoa.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao tadivavarana manga teo an-tsisin’ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin’ny iray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin’ny ambainy farany izy, dia teo amin’ny sisin’ny iray efa voavitrana koa.
malagasy