Exodus 36:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ambainy tamin’ny volon’osy koa izy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ambainy no nanaovany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ambainy volon’osy no natao hanamboarana lay ho ao ambonin’ny Fonenana, ka natao iraika ambin’ny folo ny ambainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo, dia namboariny koa ny tranolay hiarovana ny fonena-masina, ka lamba temitra 11 vita amin’ny volon’osy no nanaovany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ambainy tamin’ny volon’osy koa izy ho lay handrakofana ny tabernakely; iraika amby folo ambainy no nanaovany azy.
malagasy
Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.