Exodus 36:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao tadivavarana dimampolo ho eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana izy; ary tadivavarana dimampolo hafa koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa efa voavitrana koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasiana tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy, sisin’ny voavitrana anankiray, ary nasiana tadivavarana dimampolo koa ny vavan’ny ambainy farany sisin’ny voavitrana faharoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nopetahany tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo antsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao tadivavarana dimampolo ho eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana izy; ary tadivavarana dimampolo hafa koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa efa voavitrana koa.
malagasy