Exodus 36:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoditr’ondralahy voasoka mena no natao firakotry ny lay, ary nisy firakotra hodi-dogaona iray koa tambonin’io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba hiarovana ny lay faharoa, dia nanao sarona hoditr’ondry miloko mena sy sarona hoditra mafy izy, ka narakony teo amboniny.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony tamin’ny hoditr’ondrilahy voaloko mena ny rakotry ny lay, ary sarona hoditra trozona no ho eo amboniny.
malagasy
Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.