Exodus 36:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Bezalila sy i Oholiaba ary ny olona manan-talenta rehetra izay nasian’NY TOMPO talenta tao an-tsainy, dia izay rehetra nohetsehin’ny fony hankeo amin’ny asa, hanatanteraka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampanantsoin’i Mosesy i Betsalela sy i Ôhôliaba mbamin’ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen’ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.