Exodus 36:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
natao roa sosona hatraty ambany ka mikambana ho iray hatrany an-tampony, mipaka amin’ny masom-bola voalohany; nataony toy izany avokoa ny hazo fisaka roa amin’ny zorony roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo hazo fisaka roa ireo dia nisy elanelany ara-dalàna teo amin’ny fotony, fa nifanatona tsikelikely kosa ka nikambana teo amin’ny haba iray ihany tany an-dohany. Nataony nitovy izy roa ho hazo fisaka amin’ny zorony.
Malagasy Bible 1865
Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nakambana ho iray hatrany ambany ka hatrany ambony ireo, dia hiray tsara hatrany an-tampony eo amin’ny mason-drojo tokana; nataony toy izany koa ny roa ho eo amin’ny zorony roa.
malagasy
Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.