Exodus 36:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisin’izy ireo tamin’i Mosesy ireo fandraisana anjara rehetra izay noentin’ny Zanak’Israely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ny olona koa dia mbola nitondra fanatitra an-tsitrapo isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.
malagasy