Exodus 36:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay izy, dia tamin’ny manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fidirana ho ao amin’ny lay, nanaovana varavarana lamba jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, taozavatra misoratsoratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’ny fidirana ao an-tranolay dia mpanao peta-kofehy no nanao efitra lamba iray hafa tamina kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay izy, dia tamin’ny manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
malagasy
Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.