Exodus 36:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tonga teo amin’i Môizy nilaza hoe: «Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin’ny olona hahavitana ny asa nodidian’i Iaveh hatao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.»
Malagasy Bible 1865
ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.
malagasy
ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.