Exodus 36:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandidy i Mosesy ka nandefa teny manerana ny toby hoe: Aza misy manao zavatra ho fandraisana anjara ho amin’ny fitoerana masina intsony ianareo, na lahy na vavy. Izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia nandefa teny i Môizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: «Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin’ny zavatra aterina ho an’ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niaraka tamin’izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: «Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina.» Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka,
Malagasy Bible 1865
Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandidy i Mosesy ka nandefa teny manerana ny toby hoe: Aza misy manao zavatra ho fandraisana anjara ho amin’ny fitoerana masina intsony ianareo, na lahy na vavy. Izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
malagasy