Exodus 36:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny olo-mahay rehetra tamin’izay niasa tamin’io raharaha io, no nanao ny Fonenana tamin’ny ambainy folo: rongony madinika mihasina, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, mbamin’ny kerobima no nanaovany azy; asan’ny mpanenona mahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny manan-talenta rehetra teo amin’izay nanao ny raharaha dia nanamboatra ny tabernakely*: Ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima*, asan’ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
malagasy
[Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.