Exodus 37:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hazo akasià no nanaovan’i Beseleela ny fiara: roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
Malagasy Bible 1865
Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao ny vata tamin’ny hazo akasia i Bezalila; roa hakiho* sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony;
malagasy
Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;