Exodus 37:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy izy ka nataony teo amin’ny zorony efatra eo amin’ny tongony efatra:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandrendrika masom-bolamena efatra izy ary nataony tamin’ny zorony efatra ny masom-bolamena, dia amin’ny tongony efatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy haba volamena efatra koa notefena, dia napetaka teo amin’ny zorony efatra, nifanila tamin’ny tongony efatra.
Malagasy Bible 1865
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandrendrika mason-drojo volamena efatra hatao aminy izy ka nataony teo amin’ny zorony efatra eo amin’ny tongony efatra:
malagasy
Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo: