Exodus 37:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao fanaka hapetraka eo ambonin’ny latabatra izy, dia ny loviany, ny fitoeran-java-manitra, ny kôpiny ary ny tasiny fanaovam-panatitra araraka; volamena madio no nanaovany an’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay; ka samy natao tamin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny fanaka izay eo ambonin’ny latabatra indray izy, dia ny loviany sy ny loviakeliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no nanaovany ireo.
malagasy
Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.