Exodus 37:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Volamena madio no nanaovany ny fanaovan-jiro; volamena an-tefiny avokoa, na ny fanaovan-jiro na ny tongony aman-tahony; iray aminy koa ny ravim-boniny mbamin’ny bokony sy ny voniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny fitoeran-jiro tamin’ny volamena tsy miharo indray koa izy; notefena ny fitoeran-jiro; vongana iray aminy ny faladiany, ny tahony, ny foto-boniny, ny bokony ary ny voniny.
malagasy