Exodus 37:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.
Malagasy Bible 1865
teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro.
malagasy
teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.

Recommended Reading