Exodus 37:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa koa sady miray aminy; amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary teo ambanin’ny rantsana enina izay niainga avy amin’ny tahobeny dia nisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.
Malagasy Bible 1865
dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, ary bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa koa sady miray aminy; amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro izany.
malagasy