Exodus 37:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hazo akasià no nanaovany ny ôtely fandoroan-java-manitra; iray hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, efa-joro mitovy lafiny efatra, ary roa hakiho ny haavony, iray aminy ny tandrony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ny hazo akasia izy: Iray hakiho* avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izany; ary roa hakiho ny haavony; nataony miray aminy ny tandrony.
malagasy
Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.