Exodus 37:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny diloilo fanosorana masina izy, mbamin’ny zava-manitra manentona tsy miharo, asan’ny mpanao haro manitra.
malagasy
Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.