Exodus 38:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra ary nitovy tamin’ny teo ihany ny fanantonana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny lafiny avaratra koa dia nisy fefy lamba zato hakiho ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
malagasy
Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.