Exodus 38:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny lafiny andrefana dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ka folo ny andriny ary folo ny faladiany; volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny lafiny andrefana, dimampolo hakiho ny fefy lamba, folo ny andriny ary folo ny faladiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny lafiny andrefana dia nivelatra 25 metatra ny temitra ary nahantona tamin’ny andry folo nisy faladia folo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny lafiny andrefana dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ka folo ny andriny ary folo ny faladiany; volafotsy ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany.
malagasy