Exodus 38:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
varahina ny faladian’ny andry, volafotsy ny faraingo amin’ny andry sy anjaka itohizany, ary voapetaka takela-bolafotsy ny koronosy amin’ny lohany. Voakambana amin’ny anja-bolafotsy avokoa ny andry amin’ny kianja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny faladian’ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan’ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin’ny anjaka volafotsy avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny faladian’ny andriny dia nataony varahina; ny fihantonana amin’ny andriny sy ny farango hitohizany dia nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takelaka volafotsy; samy nisy farango volafotsy hitohizany avokoa ny andriny rehetra tamin’ny kianja.
malagasy