Exodus 38:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lamba varavarana tamin’ny vavahadin’ny kianja dia asan-tenona misoratsoratra, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina; roapolo hakiho ny halavany, dimy hakiho ny haavony, tahaka ny sakan’ny fefy lamba amin’ny kianja;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny efitra lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia namboarin’ny mpanao peta-kofehy tamin’ny kiran-drongony mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban’ny kianja.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ny kianja dia asan’ny mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona; roapolo hakiho ny halavany; ary ny haavony dia nitovy tamin’ny lambanan-damba, dimy hakiho, araka ny haavon’ny fefy lamban’ny kianja.
malagasy