Exodus 38:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto no isan’ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon’i Mosesy, ny fanisana dia nataon’ny Levita notarihan’i Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no isan’ny zavatra momba ny tabernakely*, dia ny tabernakelin’ny Vavolombelona, izay voaisa araka ny nandidian’i Mosesy, satria natao fanompoan’ny levita*, fehin’Itamara, zanak’i Arona mpisorona, ny fanisana azy.
malagasy
[Tontalin'ny volamena sy volafotsy ary vara­hina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.