Exodus 38:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.
malagasy