Exodus 38:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian’ny andry teo amin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin’ny alitara,
Malagasy Bible 1865
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’izany no nanaovany ny faladian’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* sy ny alitara varahina, ary ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
malagasy
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.