Exodus 38:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho* natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona
malagasy
Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;