Exodus 39:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny lamba manga, volomparasy ary jaky no nanaovana ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ary natao ny fitafiana masina ho an’i Arona araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natao tamin’ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fomba-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny fanamiana masina ho an’i Aarôna, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny lamba fandrakofana ny fanaka fampiasa tao amin’ny Toeramasina sy ny fanamiana voatokana ho an’i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny lamba manga, volomparasy ary jaky no nanaovana ny fitafiana fitondra amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ary natao ny fitafiana masina ho an’i Arona araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy
[Ny nanaovana ny fitafian'ny mpisorona] Ary tamin'ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an'i Arona izy, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Na: fitondra manompo]