Exodus 39:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo an-tendrony roa ambany amin’ny saron-tratra eo amin’ny sisiny anaty manolotra ny efôda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra manolotra ny efôda.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataony indray koa ny mason-drojo volamena roa, natsofony teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra, amin’ny sisiny anatiny izay mikasika ny efoda.
malagasy
Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.