Exodus 39:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanao masom-bolamena roa koa izy, napetrany eo ambanin’ny sorony roa eo amin’ny efôda eo anoloany, akaikin’ny famatorana azy eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola nanao mason-drojo volamena roa koa izy ka napetany teo ambanin’ny soroka roa amin’ny efoda, eo anoloany, akaikin’ny fikambanany, ary eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
malagasy
Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin'ny soroka roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny,eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.