Exodus 39:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.
Malagasy Bible 1865
ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra):
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra:
malagasy