Exodus 39:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lakolosy sy sarin’ampongabendanitra no mifanelanelana manodidina eo amin’ny morontongotry ny akanjobe izay hoentiny manao ny fanompoam-pivavahana, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy