Exodus 39:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hamama rongony sy mitra rongony ho fihaingoany, kalisaona fotsy rongony mihasina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lamba rongony fotsy madinika koa no nanaovany ny fehiloha, ary ny satroka tsara tarehy ihany koa dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika; ny kalisaonina fohy dia nataony tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina.
malagasy