Exodus 39:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofisahina ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafehy tamin’ny rongony madinika, tenona misoratsoratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohetezana tamin’ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron’ireo mpanao peta-kofehy tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.
Malagasy Bible 1865
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy dia nandidididy azy ho kofehy volamena ka nataony tady miaraka amin’ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
malagasy