Exodus 39:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Volamena madio no nanaovana ilay takelaka natao diadema masina, dia nosokirina teo, toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny hoe: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny takelaka ho eo amin’ny diadema masina dia nataony amin’ny volamena tsy miharo sady nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ny fitombo-kase, hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny takelaka ho eo amin'ny diadema masina dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin'ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.