Exodus 39:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy ka indro, efa natao araka izay nandidian’NY TOMPO izany. Dia nitsodrano ny olona i Mosesy.
malagasy
Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.