Exodus 39:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy