Exodus 39:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia natao ny saron-tratra ka vita ara-pahaizana, toy ny nanenomana ny efôda ihany, tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpahay taozavatra no nanao ny saron-tratra tamin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady nasiany peta-kofehy volamena toy ny efôda.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda*, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina.
malagasy
Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.