Exodus 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Tompo ô, mifona aminao aho, fa olona tsy mahay mandaha-teny, na hatramin’ny taloha, na hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza; votsa vava sy miadam-piteny anie aho e!
malagasy