Exodus 4:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namaly azy kosa ny TOMPO hoe: –Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO taminy: Iza moa no nanome vava ho an’ny olona? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? Tsy Izaho TOMPO va?
malagasy
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va