Exodus 4:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nirehitra tamin’i Môizy ny fahatezeran’i Iaveh, ka hoy izy: «Tsy eo va i Aarôna rahalahinao, ilay levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rehefa mahita anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tezitra tamin’i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: –Manana rahalahy ianao, dia i Aharôna levita. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Mosesy ny fahatezeran’NY TOMPO ka hoy Izy: Tsy ao ihany va i Arona levita* rahalahinao? Fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy. Koa rehefa mahita anao izy dia ho faly ny fony.
malagasy
Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.