Exodus 4:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nandeha i Mosesy ka niverina nankany amin’i Jetro rafozany ary niteny taminy hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hiverina any amin’ny rahalahiko izay any Ejipta ka hijery na mbola velona ihany izy na tsia. Ary hoy i Jetro tamin’i Mosesy: Mandehana amin’ny fiadanana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandeha niverina tany amin’i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mba avelao aho handeha hiverina any amin’ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: –Mandehana soa aman-tsara!
Malagasy Bible 1865
Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nandeha i Mosesy ka niverina nankany amin’i Jetro rafozany ary niteny taminy hoe: Miangavy anao aho, aoka aho handeha hiverina any amin’ny rahalahiko izay any Ejipta ka hijery na mbola velona ihany izy na tsia. Ary hoy i Jetro tamin’i Mosesy: Mandehana amin’ny fiadanana!
malagasy