Exodus 4:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny boriky dia niverina ho any amin’ny tany Ejipta izy. Ary noentin’i Mosesy teny an-tanany ilay tehin’Andriamanitra.
malagasy
Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.