Exodus 4:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Amin’izao fiverenanao mankany Ejipta izao, indreo ireo famantarana rehetra izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao, fa Izaho hanamafy ny fony ka tsy handefa ny olona izy.
malagasy